Canalblog
Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Gr.Ev. AMAFI

Archives
  • 2005
6 mai 2005

PAROLE "FITIAVANA"

FITIAVANA Fitiavana no anton'izao tontolo izao Fitiavana no namonjena anao Fitiavana no naha toy izao ahy Fitiavana ho mandrakizay Fitiavana avokoa izao rehetra izao Fitiavana nohariana ahy sy ianao Fitiavana tsy manam-paharoa Ilay fitiavana nomen'i Jesoa Raha vao niala tety an-tany Jeso Kristy Nanafatrafatra dia izao no teniny Mifankatiava ianareo F'izay no ahafantaran'ny Olona rehetra fa mpianany Raha tonga tety Jeso Kristy Moa mba fantatrao inona no antony? Hanadio ilay fahotana vitanao hatrizay Tamin'ilay rà izay nalatsany Mifalia fa voavonjy isika re Miderà ny Tompotsika lehibe Mifandraisa tànana ianareo Ndao hiara-hihira hanandra-peo Andeha isika rehetra re mba hifankatia Hifanaja sy hifanolotra fitia Jeso irery ihany anie Ilay tena Fitiavana Mampiray antsika ho mpirahalahy
Publicité
6 mai 2005

PAROLE " FANTATRAO VE"

FANTATRAO VE? Fantatrao ve hoe toy inona moa Ny famonjena nataon'i Jesoa Izay nanolorany ny ainy ho anao Ho ahy sy izao tontolo izao Ref Miantso ny Tompo ka aza mandà Mivonona hanompo handroso sy ho sahy Tsy renao ve ny feony mambabo Manaitra fo mamelona fanahy Hamerina anao izay resy sy lavo Ho eo amin'ny fitiavan'ny Ray Jesosy tia manambitamby antsika Be indra fo sy tsy mba masiaka Azao iresahana foana isanandro Hiantahantana amin'ny zava-manjo
6 mai 2005

PAROLE " JESO TIA"

JESO TIA Tiako ianao JESO tia,Tiako ianao satria Efa nitantana ahy tamin'ny ahiahy Eny efa lehibe ny natanao ahy anie Na dia mpiodin-doha sy nanamafy fo Fa efa tsisy izay tsy vitanao Hitiavana ahy nalatsakao ny rànao tiako ianao Fa efa tsisy izay tsy vitanao Hitiavana ahy nalatsakao ny rànao Ou-ou-ou-ou tiako ianao JESO Hihira aho Jeso tia,hidera anao satria Tsara ny indrafonao isan'andro izao Voavela ny heloko,nentinao ny ditrako Ka fiainana vaovao no indro atolotrao
6 mai 2005

PAROLE "ILAY BE FITIAVANA"

ILAY BE FITIAVANA Maro tokoa ireo zava-nihatra Tao koa ny loza saika nandratra Ndraindray koa nefa izahay minia Manome tsiny anao Jeso Kristy Na izany aza dia mbola tao dia tao Ny fitiavan'i Jeso tsy mandao Ka andeha fisaorana no atao Sy hatolotsika azy izao Tsy tsinjonao tokoa mazana Ny làlantsarotra izay hombana Kanefa Jeso toroy anay F'izany no tsy maintsy hizoranay Raha sendra tafiotra mahery Ka mila ho fefika an-drano be Dia mba ampaherezonao izahay Hatoky anao Mideza ary koa malama Mandreraka aina sy mampahana Ny fiainana izay diavinay Ry Jeso mba tantanonao izahay Irinay Jeso,Jeso be fitia Ny hanohana anay mpivahiny ety Dia hanolotra azavana soa Sy maraim-baovao ihany koa
6 mai 2005

PAROLE "MIOMANA"

Miomana iska rehetra miaina ety Miomana fa efa akaiky anie KRISTY Miomana fa aza be fangataka andro ianao Miomana mivonona dieny izao Sao very ianao Fa tsy fantatsika anie ny hora sy fotoana Tsy nisy nampandre ny volana sy taona Tsy fantatsika koa na ho mamanton'alina Na ho maneno akoho koa miambena Sao neninao Mbola miandry antsika anie hatramin'izao Ilay Tompo be fitia hamonjy anao Ka araraoty ny famindram-pony aminao Raiso izay mivonona dieny izao Sao very ianao
Publicité
6 mai 2005

PAROLE "RY MPIAMBINA"

RY MPIAMBINA Misy miantso ahy any seira manao hoe Misy miantso ahy any seira manao hoe Ry mpiambina ô,ry mpiambina ô Toy inona alina moa izao? Ry mpiambina ô,ry mpiambina ô Toy inona alina moa izao? Dia hoy ny mpiambina Dia hoy ny mpiambina nanao hoe Avy ny maraina avy koa ny alina Raha mbola te hanontany ianareo Raha mbola te hanontany ianareo Manontania ihany Ka avia miverena
6 mai 2005

PAROLE "ANDEHA HITORY"

NDEHA HITORY Taona maro izay No niantsoan'ny Tompo anay Hivondrona ho iray Noho ny asany Tao anefa ireo Fisedrana maro be Fanenjehana,fanaratsiana Nefa raha tsy teo ianao JESO Dia potika sy rava ialay fitoriana Mbola lavitra ireo lalana aleha Koa mangataka ny fitantananao Mba tsy ho menatra eny tsy ho ketraka Eo anatrehan'ireo asa ireo Tanjona iray no ho tratrarinay Dia ny hampihely ilay Famonjena vitanao Ankehitriny izao dia vonona aho handeha Hitory ny filazantsara n'aiza n'aiza aleha Vonona hijoro sy ho fanilo fahazavana Eo anivon'ny fiaraha-monina Firenena Izao tontolo izao
3 mai 2005

FIFANDRAISANA

Tianao ve ny hiara-miasa amin'ny GE AMAFI ? aza misalasala mifandray amin'ireto fifandraisana ireto---- AMAFI - LOT II H 101 ABB SOAVIMASOANDRO - MME HANITRA TEL : 033 11 754 08 TEL : 033 12 915 41 MR FIDELE TEL : 033 12 360 06 MR RIJA TEL : 033 11 527 91 http://www.amafi.canalblog.com
3 mai 2005

TANTARA AMAFI

Ny taona 1991 no niforona ny Antoko Mpihira AMAFI(Antoko Mpihira Akon'ny Fiderana).Ny komity mpanomana ny jobilin'ny Mpitandriana RAKOTONDRAVONY GILBERT tao amin'ny FJKM Isoavimasoandro Fihavaozana no nananganana azy hanomana ny hetsika izay atao mandritra ny herintaona.Rehefa vita anefa ny jobily dia maro no naniry ny hitohizan'ny fikambanana.Nentina teo amin'ny Fiangonana izany ka dia tapaka fa hajoro ho antoko mpihira velona ny AMAFI ka nadray anjara feno tamin'izay adidy rehetra niaraka tamin'ireo sampana hafa nadritra ny 12 taona.Mr RAKOTOARISOA Charles no nitarika azy voalohany ary nondibiasan'i Mr RAFIRINGA Maurice nanomboka ny 1996 ka hatramin'ny 2003. Noho ny Fandaminana nisy teo amin'ny Fiangonana dia natsahatra tsy ho fikambanana tao am-piangonana intsony ny AMAFI nanomboka ny Jolay 2003.Rehefa natao ny dinika maro isan-karazany dia tapaky ny mpikambana fa ho tohizana ny fikambana na ao anatin'ny fiangonana na tsy miankina amin'ny fiangonana satria misy Asa nanirahan'ny Tompo izay tokony ho tanterahana dia ny fitoriana ny filazantsara amin'ny endriny maro. Ny Semptambra 2003 no nijoro mahaleo tena tsy miankina amin'ny fiangonana ny GROUPE EVANGELIQUE AMAFI AKON'NY FIDERANA ka komity vonjimaika no nitanatana azy.Marihina fa tsy niova ny antom-pisiany dia ny hitory ny filazantsaran'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny Hira sy ny dihy, sns... ny ho sehatra fitaizana sy fanomanana ny olona amin'ny asa fitoriana. Septambra 2003 : Fijoroana vaovao Desambra 2003 : Fanokanana Fanamiana vaovao 07 Mai 2004 : Fiviahan'ny CLIP "Handeha hitory" 27 Mai 2004 : Fivoahan'ny Clip "Ry Mpiambina" 13 Juin 2004 : Fitorian tao Antsahamanitra (45 ème Anniversaire KOLEJY RASALAMA) 07 Aout 2004 : Fitoriana tao amin'ny PALAIS DES SPORTS Mahamasina niaraka tamin'ny G E NASANDRATRA 30 Octobre 2004 : DEJEUNER CONCERT tao amin'ny Cantine Kanto Ankorondrano 21 Novembra 2004 : Fitoriana tao amin'ny FJKM Isoavimasoandro 22 Desambra 2004 : Noelin'Ny Artista teny amin'ny FJKM Ankadifotsy. 23 Janvier 2005 : Fitoriana tamin'ny alalan'ny Tantara sy Hira tao amin'ny FJKM Isoavimasoandro 27 Février 2005 : Fitoriana tany amin'ny fiangonana FJKM Ambodiafontsy Fitoriana tany amin'ny fiangonana FJKM Alasora Fitoriana tao ami'ny FJKM Isoavimasoandro niaraka tamin'i Bodo 23 Avril 2005 : Fitoriana tao amin'ny CAPITOLE Ivato niaraka tamin'ny SPAA 10 Ankoatr'ireo dia maro ny fitoriana izay nanirahan'ny Tompo izay tsy ary ho voatanisa eto avokoa. Ho an'Andriamnitra irery anie ny voninahitra !Amen
3 mai 2005

PROGRAMME

*05 Mai 2005 :Fitsangatsanganana eny amin'ny ENJELO Ambohidratsimo * Mai 2005 : PRISE DE SON - CLIP : Jesoa Tia - Miomana * 22 Mai 2005 : Fitoriana miaraka amin'ny SLK Fjkm Isoavimasoandro eny Analamahitsy
Publicité
1 2 > >>
Gr.Ev. AMAFI
Publicité
Publicité