Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
Gr.Ev. AMAFI
Archives
  • 2005
3 mai 2005

TANTARA AMAFI

Ny taona 1991 no niforona ny Antoko Mpihira AMAFI(Antoko Mpihira Akon'ny Fiderana).Ny komity mpanomana ny jobilin'ny Mpitandriana RAKOTONDRAVONY GILBERT tao amin'ny FJKM Isoavimasoandro Fihavaozana no nananganana azy hanomana ny hetsika izay atao mandritra ny herintaona.Rehefa vita anefa ny jobily dia maro no naniry ny hitohizan'ny fikambanana.Nentina teo amin'ny Fiangonana izany ka dia tapaka fa hajoro ho antoko mpihira velona ny AMAFI ka nadray anjara feno tamin'izay adidy rehetra niaraka tamin'ireo sampana hafa nadritra ny 12 taona.Mr RAKOTOARISOA Charles no nitarika azy voalohany ary nondibiasan'i Mr RAFIRINGA Maurice nanomboka ny 1996 ka hatramin'ny 2003. Noho ny Fandaminana nisy teo amin'ny Fiangonana dia natsahatra tsy ho fikambanana tao am-piangonana intsony ny AMAFI nanomboka ny Jolay 2003.Rehefa natao ny dinika maro isan-karazany dia tapaky ny mpikambana fa ho tohizana ny fikambana na ao anatin'ny fiangonana na tsy miankina amin'ny fiangonana satria misy Asa nanirahan'ny Tompo izay tokony ho tanterahana dia ny fitoriana ny filazantsara amin'ny endriny maro. Ny Semptambra 2003 no nijoro mahaleo tena tsy miankina amin'ny fiangonana ny GROUPE EVANGELIQUE AMAFI AKON'NY FIDERANA ka komity vonjimaika no nitanatana azy.Marihina fa tsy niova ny antom-pisiany dia ny hitory ny filazantsaran'i Jesoa Kristy amin'ny alalan'ny Hira sy ny dihy, sns... ny ho sehatra fitaizana sy fanomanana ny olona amin'ny asa fitoriana. Septambra 2003 : Fijoroana vaovao Desambra 2003 : Fanokanana Fanamiana vaovao 07 Mai 2004 : Fiviahan'ny CLIP "Handeha hitory" 27 Mai 2004 : Fivoahan'ny Clip "Ry Mpiambina" 13 Juin 2004 : Fitorian tao Antsahamanitra (45 ème Anniversaire KOLEJY RASALAMA) 07 Aout 2004 : Fitoriana tao amin'ny PALAIS DES SPORTS Mahamasina niaraka tamin'ny G E NASANDRATRA 30 Octobre 2004 : DEJEUNER CONCERT tao amin'ny Cantine Kanto Ankorondrano 21 Novembra 2004 : Fitoriana tao amin'ny FJKM Isoavimasoandro 22 Desambra 2004 : Noelin'Ny Artista teny amin'ny FJKM Ankadifotsy. 23 Janvier 2005 : Fitoriana tamin'ny alalan'ny Tantara sy Hira tao amin'ny FJKM Isoavimasoandro 27 Février 2005 : Fitoriana tany amin'ny fiangonana FJKM Ambodiafontsy Fitoriana tany amin'ny fiangonana FJKM Alasora Fitoriana tao ami'ny FJKM Isoavimasoandro niaraka tamin'i Bodo 23 Avril 2005 : Fitoriana tao amin'ny CAPITOLE Ivato niaraka tamin'ny SPAA 10 Ankoatr'ireo dia maro ny fitoriana izay nanirahan'ny Tompo izay tsy ary ho voatanisa eto avokoa. Ho an'Andriamnitra irery anie ny voninahitra !Amen
Publicité
Commentaires
Gr.Ev. AMAFI
Publicité
Publicité